Matthew 14

1Tamin’izany fotoana izany, Heroda mpanapaka nandre ny vaovao momba an’i Jesosy. 2Hoy izy tamin’ireo mpanompony hoe: “I Jaona mpanao batisa izany; nitsangana tamin’ny maty izy. Noho izany dia miasa ao aminy ireo hery ireo.”

3Fa Heroda nisambotra an’i Jaona, namatotra azy, ary nandefa azy tany an-trano maizina noho i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny. 4Fa hoy Jaona taminy hoe: “Tsy ara-dalana ho anao ny manana azy ho vadinao.” 5Naniry ny hamono azy Heroda, saingy natahotra ireo vahoaka izy, satria noraisin’izy ireo toy ny mpaminany izy.

6Fa rehefa tonga ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Heroda, dia nandihy teo afovoan’ireo vahiny nasaina ny zanaka vavin’i Herodiasy ka nahafinaritra an’i Heroda. 7Ho setrin’izany, dia nampanantena tamin’ny fianianana izy ny hanome izay hangatahiny na inona na inona.

8Rehefa avy notoroan’ny reniny marika, dia hoy izy hoe: “Omeo ahy eto, ambonin’ny lovia, ny lohan’i Jaona mpanao Batisa.” 9Nalahelo mafy nohon’ny fangatahany ny mpanjaka, saingy nohon’ny voadiny sy noho ireo rehetra nisakafo niaraka taminy, dia nanome baiko izy fa tokony ho vita izany.

10Naniraka ka nanapaka ny lohan’i Jaona tao an-tranomaizina izy. 11Avy eo nentina tamin’ny lovia ny lohany ary nomena ilay zazavavy ary nentiny teo amin’ny reniny izany. 12Avy eo dia tonga ireo mpianany, naka ilay faty, ary nandevina izany. Taorian’izany, dia nandeha izy ireo ary nilaza tamin’i Jesosy.

13Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia niala avy teo tamina sambokely iray izy hankany amina toerana mitokana iray. Rehefa nandre izany ireo vahoaka, dia nanaraka Azy an-tongotra avy tany amin’ireo tanàn-dehibe. 14Avy eo Jesosy nankeo anoloan’izy ireo ary nahita ireo vahoaka maro be. Nangoraka azy ireo Izy ary nanasitrana ny aretin’izy ireo.

15Rehefa tonga ny hariva, dia nankeo aminy ireo mpianatra ary niteny hoe: “Ity dia toerana foana, ary efa tapitra sahady ny andro. Alefao ireo vahoaka, mba hahafahan’izy ireo mandeha any amin’ireo tanàna ary hividy sakafo ho an’ny tenan’izy ireo.”

16Fa Jesosy niteny azy ireo hoe: “Tsy mila mandeha lavitra izy ireo. Omenareo zavatra hanina izy ireo.” 17Hoy izy ireo taminy hoe: “Mofo dimy sy hazandrano roa ihany no hanananay eto.” 18Hoy Jesosy hoe: “Ento aty amiko izany.”

19Avy eo Jesosy nibaiko ireo vahoaka mba hipetraka eo amin’ny bozaka. Nalainy ireo mofo dimy sy hazandrano roa. Niandrandra tany an-danitra, dia nisaotra Izy ary nanapaka ireo mofo ka nomeny ireo mpianatra, ary ireo mpianatra nanome izany ho an’ireo vahoaka. 20Nihinana avokoa izy rehetra ary voky. Avy eo dia nangonin’izy ireo ny sisan’ireo poti-tsakafo ka nahafeno roambinifolo harona. 21Teo amin’ny dimy arivo lahy teo ireo nihinana, ankoatra ireo zaza amam-behivavy.

22Avy hatrany dia nasainy nankao amin’ny sambokely ary handeha hialoha Azy ho eny ampita ireo mpianany, raha mbola nandefa ireo vahoaka Izy. 23Taorian’ny nandefasany ireo vahoaka, dia nandeha niakatra teny an-tendrombohitra irery Izy mba hivavaka. Rehefa tonga ny hariva, dia irery teo Izy. 24Ary ny sambo dia efa lasa lavitry ny tanety, natopatopan’ny onja, satria nitsoka nanohitra azy ireo ny rivotra.

25Tamin’ny fiambenana fahefatry ny alina dia nanatona azy ireo Jesosy, nandeha teny ambony ranomasina. 26Rehefa nahita Azy nandeha teny ambony ranomasina ireo mpianatra, dia raiki-tahotra ka niteny hoe: “Matotoa io,” ary dia nihiakiaka tamin-tahotra izy ireo. 27Fa Jesosy niteny tamin’izy ireo avy hatrany hoe: “Mahereza! Izaho ity! Aza matahotra.”

28Namaly Azy Petera ka nanao hoe: “Tompo, raha Ianao io, dia asaivo manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.” 29Hoy Jesosy hoe: “Manatona” Koa dia niala avy tao amin’ny sambokely Petera ary nandeha teo ambony rano mba hanatona an’i Jesosy. 30Fa rehefa nahita ny rivotra Petera, dia lasa natahotra. Raha iny izy nanomboka nilentika iny, dia nihiaka mafy izy sady niteny hoe: “Tompo, vonjeo aho!”

31Avy hatrany Jesosy dia naninjitra ny tànany, nihazona an’i Petera, ary niteny taminy hoe: “Ianao ry kely finoana, fa maninona ianao no niahiahy?” 32Avy eo Jesosy sy Petera nandeha nihazo ny sambokely, nitsahatra nitsoka ny rivotra. 33Avy eo ireo mpianatra tao anaty sambokely nidera an’i Jesosy ary niteny hoe: “Ianao marina no Zanak’Andriamanitra.”

34Rehefa avy niampita izy ireo, dia tonga teny an-tanety tao Genesareta. 35Rehefa nahafantatra an’i Jesosy ireo lehilahy tao amin’izany toerana izany, dia nandefa hafatra teny amin’ny faritra manodidina rehetra, ary nentin’izy ireo teo Aminy izay olona narary rehetra. Nitalaho Taminy izy ireo mba hahafahan’izy ireo mikasika ny moron’akanjony fotsiny ihany, ary maro ireo nikasika izany ka sitrana.

36

Copyright information for PltULB